alalà - andro marary lyrics
maninona ary ianao, ô ry andro androany
no lanitra fotsy, masoandro tsisy loko
malahelo angamba ? mitenena fa hohenoiko
raha reraka ianao manome hafanana
ho avy izaho sy ny hira sy ireo akama
hanolotra tontolo an+kira
tsiky kely monja no tianay ho asehonao
tsy toloko fa hira, ny hafalianao mba aparitao
amin’izao andro mangitsy, masoandro tsy misy
tsiky kely monja no tianay ho asehonao
tsy toloko fa hira, ny hafalianao mba aparitao
amin’izay andro mangitsy, masoandro tsy misy
mila vazo misimisy
nanafatra izy fa masoandro tsy salama anio
ingahibe ho nitantara nefa tsy angano na arirarira izy io
mila fo mafana, revirevy sy hadalana
nanafatra izy fa masoandro tsy salama anio
ingahibe nitantara nefa tsy angano na arirarira izy io
nanafatra izy fa masoandro tsy salama anio
ingahibe nitantara nefa tsy angano na arirarira izy io
mila fo mafana revirevy sy hadalana
manisa telo aho dia anao no manafàna marary
maninona ary ianao, ô ry andro androany
no lanitra fotsy, masoandro tsisy loko
malahelo angamba ? mitenena fa hohenoiko
raha reraka ianao manome hafanana
ho avy izaho sy ny hira sy ireo akama
hanolotra tontolo an+kira
raha reraka ianao manome hafanana
ho avy izaho sy ny hira sy ireo akama
hanolotra tontolo an+kira
Random Lyrics
- ana mancebo - loca lyrics
- moslem مسلم - ana ghalat wenta sah | انا غلط وانت صح lyrics
- b.i - lover lyrics
- penelope zales - nft love lyrics
- vinicius voar - canto dos passarinhos lyrics
- laxus10 - barkod lyrics
- paul morricone - angular face lyrics
- renato teixeira - a primeira vez que eu fui ao rio lyrics
- chewie (fra) - k2000 lyrics
- abbas bağırov - her yaşın bir güzelliği var (live) lyrics