
bessa sy lola - ny andriamanitra inoako lyrics
Loading...
ny andriamanitra inoako, andriamanitra fitiavana
tsy andriamanitra masiaka mpanasazy
tsy andriamanitr’antoko, tsy mpanavaka foko
tsy mpijery harena na fiaviam-pirenena
fa ny andriamanitra inoakao hantra sady honena
ka ny olona rehetra mahazo azy
tsy mpizara alahelo, tsy mamorona helo
fa izy no fitiavana
ny andriamanitra inoako tompon’ny fahendrena
te hanova izay ratsy ho tsara
tsy mba faly manjera na revolisionera
fa manarina hatrany ireo maditra eto an-tany
ny andriamanitra inoako andriamanitra fitiavana
tsy mba mila takalo fa mizara
ny mandray izay omeny no hany fandreseny
fa izy no fitiavana
Random Lyrics
- de fellas, roselilah - high end lyrics
- the ultimate destroyer - night boredom lyrics
- michel j. - melrose place lyrics
- alif and sonaone - disco lyrics
- tokyo (br) - o tal poder lyrics
- bolémvn - 13.08 lyrics
- the rampage from exile tribe - starlight lyrics
- uclã - nas alturas lyrics
- taven - hopeless romantic lyrics
- taeyeon - turnt and burnt lyrics