azlyrics.biz
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

black jack’s – hiakam-pijaliana lyrics

Loading...

hiakam-pijalian’ny afrikana iray hiharan’ny fanavakavaham-bolon-koditra…

nolazaina aho fa hoe ratsy saina

nenjehina sy nogadraina

mainty aho dia hoe : olon-dia

ka tsy mendrika ho velona ety

ny fianakaviako rehetra

nampiharana ny herisetra

ny raiko dia nalatsak’aina

ny reniko vetavetaina

ny lanitra tsy andrin’ny hafa

andrasako mandra-pitraka

mainty aho f’izaho tsy hitomany

satria reharehako izany

ny taniko dia n-baboina

ny namako dia novonoina

ny ezaka mba vitanay

nodorana ho kila sy may

maharary aho fa tsy mitaraina

miandry aho fa tsisy antenaina

ny hasin’ity fireneko

io no sisa mba andry sy hareko

ny lanitra tsy andrin’ny hafa

andrasako mandra-pitraka

mainty aho f’izaho tsy hitomany

satria reharehako izany

o raha ilaina ho sorona ny aiko

foiko tsy zarazaraiko

ho mendrika sy hahatafita

hanafaka anao ry afrika

afrika entanin-tsento ! afrikana ireo razambeko



Random Lyrics

HOT LYRICS

Loading...