black jack's - ho anao lyrics
ho anao ve hadalana sa ditra ?
vitan-dratsy sa koa vatsy efa ritra
ireny zaza ireny toa mirenireny
sao dia kosa hoy aho tsy fidiny intsony
ny fahantrany ka hitafiany gony
mitady sakafo amin’ny fanariam-pako
o anaka aoka ianao tsy hitsara amin’izay tsy ho tsaraina
eto ianao dia miadana tsara ka afaka misaina
ny toeranao tsy toerany akory, andeha re matory
rahampitso ianao mbola hifoha maraina hamonjy sekoly
tsy vitany ary tsisy hadalàna, manaova ianao mafàna
ny andro maizim-be sahady, ny hatsiaka efa ho avy
moa ianao koa sao manavy
any aoriana any e, ho hainao izany
lany henatra ve sa tia tena
ity vehivavy mpivaro-tena
handeha hanakalo tena amin’ny mpandalo
tsy fidiny azy angamba fa tsy hakamoana
fa ilay zanany ao koa mba maty noana
ilay fitiavan-dreny no mahatonga ireny
Random Lyrics
- linda guilala - ansiedad lyrics
- nadja evelina - 1177 lyrics
- grøund xrø - chances lyrics
- natalie shamoun - mine lyrics
- skeleton staff - adulterers, liars & thieves lyrics
- chancellor - angel lyrics
- makk - adidaske lyrics
- young thug - the plan lyrics
- crown of thorns - 'til you've had enough lyrics
- pnb rock - stop flexinnnnn lyrics