
rija ramanantoanina - hay ve? lyrics
hay ve ka nisy
raozy nokoloinao naniry tamiko
fa ny foko no nandà tsy hamokatra intsony
nefa tsy kivy ianao
hay ve ka nisy
finiavana hikarakara taminao
fa ny saiko no ninia tsy ahafantatra ireny
fony naha teo anao
fa lasa ianao vao tsapako
nony indro ianao tsy tazako
injay nilentika lalina am-poko ao
lalim-paka ‘lay raozinao
fa teo ianao tsy hitako
niteny ianao tsy reko koa
taitra ianao ninia natory irery aho
taitra avy eo aho nilaozanao
raha mbola misy
zay voatahiry tamiko ao anatinao
ento ahy fa hokoloiko ireo hiroborobo
toy izay nataonao ahy
raha mbola ao koa
lay dikan-teny hoe “tia ambetin-dresakao”
ento aty f’izay vao fantatro
ny tena heviny nolazainao taloha
fa lasa ianao vao tsapako
nony indro ianao tsy tazako
injay nilentika lalina am-poko ao
lalim-paka ‘lay raozinao
fa teo ianao tsy hitako
niteny ianao tsy reko koa
taitra ianao ninia natory irery aho
taitra avy eo aho nilaozanao
fitia toa tsy hahy kosehina
am-poko ilay fitiavanao
fa ny ahy ny faniriako dia izao
“mandrakizay ho ahy ianao”
Random Lyrics
- kelly clarkson - if i can't have you (the smoakstack sessions) lyrics
- sheikh esther - daria, black mercedes lyrics
- erin enderlin - you don't know jack lyrics
- immortal bird - stumbling towards catharsis lyrics
- treebeard - on distant shores lyrics
- the influence - alright (prod. brokeboi) lyrics
- giancane - hogan blu lyrics
- arnone - with the reals lyrics
- sir dandy - mudah-mudahan ramai terus (mrt) lyrics
- khoii - interlude lyrics