stoika thug, artemus, prime - need to lyrics
couplet 1:
miandry ny andro hazava aho somebiseby
ny ampitso ankamatatra mitondra tebiteby
takosina no mameno ny pejy
maniasia toa tsy mety ho hendry
hany ka trotraka aho
mitovy foana ny fakam+panahy mahapotraka ahy
miandry ilay masoandro hiposaka
amin’ny roa maraina ny tao anatin’ny tavoahangy tapitra nibosaka
dia hoe tsy hita fery na maratra
ny alahelo afenina ao am+bata
tsiky no nasetriko ny teniny na nandratra
miovà hoy i neny mba tsy ho nenina no handatsa
ny ahy tanana zatra mitsotra
very aho mila tondro zotra
olon+tsotra aho
ohatrin’ny rehetra indraindray mila fanampiana
mila olona mba azo hiankinana
ny saina miady mila hampandriana
leo tabataba nefa koa tsy teliko ny fahanginana
toa tsy hita be ihany
talohan’izao tsy haiko mba sambatra ve aho omaly ?
talohan’izao…
refrain:
te hiova mood
tsiky sy hehy fa tsy spleen sy blues
ny anio sy ny ampitso tiako raha tsy mitovy
need to heal
need to feel good
couplet 2:
tsy tiako hoe tahotra no hangeja aho
arakarakin’ ny hirosoako no ahitako hoe ny lalako mihadezaka
toa zara raha mikisaka aho na manezaka
mitombo ny taona dia ny olana koa mihangeza
indraindray ny asesikin’ny tanako ihany no mahakenda ahy
mahatsapa aho hoe mila mifona, mila mibebaka
masiaka loatra ny demoniko
be ny toetra tsy mendrika fa notazomiko
tsy levon’ny vavoniko
tsy mino aho hoe ohatr’izao ‘lay voasoritra talohan’ny nalatsahan’ ny tavoniko
fa moa ve ny soa ihany
lavo aho fa any aoriana any mety hikozy hoe soa ihany
tsy hanontany intsony aho hoe mba sambatra ve aho omaly ?
ny lasa efa tavela any aoriana any
refrain:
te hiova mood
tsiky sy hehy fa tsy spleen sy blues
ny anio sy ny ampitso tiako raha tsy mitovy
need to heal
need to feel good
Random Lyrics
- jolänn - rentrer à la maison lyrics
- dj trench - fuck the friends lyrics
- inerl (kor) - s.y.m lyrics
- westberlinbandit - tan lyrics
- nectarine girl - before photo lyrics
- babyflex - маловатт lyrics
- heat death of the universe - everything will be ok lyrics
- raftheartist - crunch lyrics
- camelll - nvb lyrics
- gord (irn) - bb freestyle lyrics