azlyrics.biz
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

unik – mitomany lyrics

Loading...

tsy rariny oo…
tsy rariny, kosa re
lay neny, zay nianteherako efa ela be
dia lasa, nandao an’ahy
lasan’ny fahafatesana

ny fiainako efa simba
ny ho aviko efa vita
alahelo sisa

tsy hitako intsony izay atao satria
navelan’i neny irery eto an-tany
mangidy loatra izany fijaliana izany
aleoko mitomany

mitomany, foana izao
ho anao, fa nilaozanao
dia hanonofy, hanonofy anao
raha mahare i neny any ho any
dia fantaro hatrany
fa tiako i neny, tiako i neny

mitamberina ny taona
hatramin’izao mbola misaona
tsy sasatry ny mitomany satria
mahatsiaro anao foana

na dia lasa aza anefa
ilay loharanon’ny fiainako
dia nihezaka aho hanohy ny fiainako
neny ô, tsy misy toa anao, neny ô
kamboty anie ty zanakao

tsy hitako intsony izay atao satria
navelan’i neny irery eto an-tany
mangidy loatra izany fijaliana izany
aleoko mitomany

mitomany, foana izao
ho anao, fa nilaozanao
dia hanonofy, hanonofy anao
raha mahare i neny any ho any
dia fantaro hatrany
fa tiako i neny, tiako i neny



Random Lyrics

HOT LYRICS

Loading...