vhf - ny hiran'ny lanitra lyrics
ny hiran’ny lanitra ihany no vazovazonay
dia ilay hiran’ny lanitra ilay fiderana ny ray
ataonay manako manako maneran-tany e
ao anatin’ny tsiky hafaliana na sento tomany o
ny hiran’ny lanitra anie tsy atao manahirana
fa midera mivavaka atao amin’ny fo miramirana o
fa ny hiran’ny lanitra tsara sy tena ankafizinay
tsy ho dilan’ny ela fa ho mandrakizay
ny hiran’ny lanitra e, ny hiran’ny lanitra e
io re no hiran’ny fiainana mandrakizay
ny hiran’ny lanitra e, ny hiran’ny lanitra e
io re no lalan-kodiana mankany amin’ny ray
koa avia ry zareo ô atambaro ny feo ô
dia hiaraka hihira hirahiran’ny lanitra e
koa avia ry zareo ô atambaro ny feo ô
dia ho samy salanitra e ny ambany lanitra e
na be mpankafy sy malaza ho tsara aza ny hiran’ny tany
dia ny hiran’ny lanitra mbola hafa ihany tsy ambakan’izany
ny hiran’ny lanitra mody tsotsotra mandolo fanahy
hira ventsoina amin’ny sôlfezy na koa sôlfa
ny hiran’ny lanitra no famonjena hiram-bavaka
natao hanavotana anao ry mpanota
izay latsaka an-davaka ô
tandremo solafaky ny otan’ny tany malama e
dia ho vingivingitin’ireo devoly satàna
ie e e e ie e e e e e e
ny hiran’ny lanitra ho tsarotsaroana
hovazovazoina sy kalokaloina
mamelona ny ati-fanahy sy ny fo ao anaty e
velona mandrakizay ny fanahy saiky maty e
Random Lyrics
- sabrina carpenter - radioactive (cover) lyrics
- le youth - selfish lyrics
- 941murk - nightmares lyrics
- joe (br) - mujer ingrata lyrics
- andres barreiro - tanta belleza lyrics
- samie bower - dance fm lyrics
- emily scott robinson - pie song lyrics
- rouge pompier - perds pas ton temps lyrics
- nerdout - the cow song lyrics
- samantha kid - плацебо (placebo) lyrics