azlyrics.biz
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

amaf – tsy avelan’andriamanitra lyrics

Loading...

tsy avelan’andriamanitra hiraviravy tànana tanteraka

ireo zanany miady saina mila ho reraka;

tsy avelany hamoy fo tafiny herin-tsaina hahazaka

ka na inona manjo dia tohanany hitraka

ref:

efa mba nisy ve, hatramin’ny elabe masoandro nody takariva

ka tsy niverina mba hanazava indray ’lay maraina

tsy mba drafitr’andriamanitra ny fahoriana tsy azo laizina

hahitany ireo voahariny ho farahidiny amin’ny maizina

ny ranomaso sy tomany

na dia mirotsaka aza tsy mateza fa fafany

raha tsaroana ho mikija ny ranon’oram-be mivatravatra

mibosesika ny alahelo tsy omby tratra;

tsapanao ho mielina ny hafaliana sy ny andro tsara

lasalasa ny vinany fa toa mivilana ny zara



Random Lyrics

HOT LYRICS

Loading...