azlyrics.biz
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

black jack’s – farafarano lyrics

Loading...

sao verivery foana ialahy lehiroa ka tsinjovy ihany ny andro aoriana

ny revy ho vita ihany tokoa fa ny zava-misy tsy azo idifiana

ny lalana hahatafita anie ka efa miha-tery

ny ho avy ity tsy fantatra fa toa misitery

sao verivery foana ialahy lehiroa fa ny miaina tsy azo atao tsianjery

sao miady irery foana ialahy lehiroa ka aza atao ny mitompo teny be loatra

ny avonavona tsy misy tombontsoa, ka aleo misaina tsy hanova voatra

raha sendra mba tafita ka azo izay nokendrena

tsarovy ihany lesy izay mba valimbabena

tsy tonga irery teto ialahy lehiroa ka mahaiza manome fa nomena

indray mandeha dia indray mandeha ihany anie ry zandry

no andalovana eto ambonin’ny tany

ialahy no hitsara, tsy ho ratsy fiafara

ny harena rehetra azo ikimpiana anie ry zandry fa ny fahendrena tsy mba vidiana

ka faraparano tsy idiran’angano

sao matimaty foana ialahy lehiroa ka ampiasao ny saina fa tsy ny fo

ialahy no ataony sorona ho voa ka ny hafa ve no mioty ny soa ?

raha tojo izay tsy mety izy tsy misy hifaharana

ialahy izay rakotra ao no ataony tohatra iakarana

sao matimaty foana ialahy lehiroa ka ampiasao ny saina fa tsy ny fo

indray mandeha dia indray mandeha ihany anie ry zandry…

sao petsapetsa foana indry ry bavy ka mahaiza mba mibanjina ny ho avy

ny ditra anie mitsaingoka dia lasa fa raha misy kitra indry no mifafa

raha voa indry mandatsa tena irery any aoriana

mihataka amin-dry hatramin’ny fianakaviana

sao petsapetsa foana indry ry bavy ka izao dia lany zara sahady

indray mandeha dia indray mandeha ihany anie ry bavy

no andalovana eto ambonin’ny tany

indry no hitsara, tsy ho ratsy fiafara… sns



Random Lyrics

HOT LYRICS

Loading...