azlyrics.biz
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

eric manana – tamboho lyrics

Loading...

revirevinay taloha
mihirahira eo ambony tamboho
gitara vaky no hifandimbiasanay eo
malaina ery ny hifandao
maraina vao misaraka

revirevinay taloha
misotrosotro eo ambony tamboho
rehefa madiva ho faty masoandro
mirongatra ny vinany
dia teraka eo ilay hira vao

ref : homehy irery aho matsiaro
irony hatanorana zalahy
be ireo adalana
mafy loha tsy azo rarana
ant-tra iany ity ny farany a

revirevinay taloha
nikaoty sipa eo ambony tamboho
miandry izay hiravan’ny mpianatra
dia manadala anareo
andriambavilanitra

revirevinay taloha
mivangabao eo ambony tamboho
ny fiainana no mba nampianatra anay
ny soa , ny ratsy , ny fady
tapitra nolalovanay
ref: homehy ireri aho matsiaro
irony hatanorana……………

o! ry akamako taloha
rahoviana indray no ho eny ambony tamboho
hisary adala faramparany a
fiainana ity efa fohy
ka asio fiverenana (3x)



Random Lyrics

HOT LYRICS

Loading...