ifanihy – ilemena lyrics
indray takariva sembatsemban-drahona
teroa ambinan’itsilazaina ilay falehako
ny lakan-kely iray natopatopan’ny alona
nikarenjy tanivon-drano tomorin’ny oram-baratra
nanezakezaka ny hamonjy tora-pasika
nalefako teny an-tanana ny fijeriko
indreo eo ny mpianakavy e sasa-miandry amorom-pasika
ny vely lamako injao manakoako
fa ho avy hono i lemena ô! hitondra trondro vaoavao
rahoviana ihany lahy no hiverina i lemena
naveriko teny anivon-drano ny fijeriko
indry eny i lemena, lemena sy ny lakany
natsipitsipin’ny onja ka naniditsidina
nony farany nilentika e rendrika tsy tazana
nantsoina ka dobok’onja no nanoina
mba nanao ahoana ny tao an-tanana
indreo eo ny mpianakavy mbola miandry amorom-pasika
ny vely lamako injao mbola manako
fa i lemena kosa e efa lasa nialoha lalana
veloma madinidinika i lemena
masina fatempatenana i lemena
Random Lyrics
- yung bans – yeaaa lyrics
- namedtobias. – real talk lyrics
- the associates – i never will lyrics
- matt movin’ – anyone wit me lyrics
- saviest.ak1 – on a daily lyrics
- tinkerwendy – my love lyrics
- neutro shorty & big soto – gelato lyrics
- dark darby – all dead lyrics
- rym dinero – for fun pt2 lyrics
- piero focaccia – amico whisky lyrics