azlyrics.biz
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

levelo – angolavaitra lyrics

Loading...

tapatapaka-môza e nanaovanao fefy

hiaro tanàna

evokevo-dranomena laroina tambavy

dia lasa ody an-doha

fitiavako anao e mba mety ho toy izany

ny ady natao e leferiko ihany

f’io tsikitsiky io aky dia angolavaitra

f’io no mamatotra antsika

vakivakina voatavo no toham-baliha

tsy mety mangina

horakoraka ao anaty ilay feon-dokanga

fitendrinao ho ahy

ifalifaliako e itabatabako

fitiavako anao e mba misy hiantako

raha sendra malama ho’aho ny lalako ety e

tsipazo antsamotady aho

kesika tsy boboka aty nandrian-jatovo

tsy ketraka akory

verokely itoeram-pody

milefitra ambany tsy folaka akory

misafotofoto e mikopa-tadio

mety hanavandra e hikotroka anio

tohanako sandry aky ny oram-p-n-la

f’io tsy hampihontsona antsika



Random Lyrics

HOT LYRICS

Loading...