mahaleo – ampindramo lyrics
Loading...
ampindramo herintsaina
hiarovako ‘ty taniko
izay tena tiako sady mamiko
raha toa izany ka ilaina
fa mihabe ireo sorisory
mampanahy mampahory
tsy hahitana andro mirana
na mba tanjona hifikirana
ampindramo haditrana
hiaretako ‘ty ngidy
fa mafy ady mafy adidy
manahy sy mintaintaina
fa mihamaro ireo ankaso
manditsoka ny fo sy maso
aoka izay ny andraso andraso
izay tena resaka alefaso
ampindramo fa averiko
hajaiko tsara sady ateriko
rehefa olona afaka aho
rehefa mba tafita aho
aza be ankasoparana
na dia nahavita fianarana
ambinina tafita ambony
ambony rahona irony
ampindramo hadalana
hiarovako ‘ty taniko
izay tena tiako sady mamiko
raha toa izany ka ilaina …
Random Lyrics
- litmarcy – la fine lyrics
- salazar 75 – intro lyrics
- trippie redd – they afraid of you (original version) lyrics
- thomas mattia – escape lyrics
- bj the chicago kid – playa’s ball lyrics
- bhg foreign – demons lyrics
- asaka – my love lyrics
- the glass bottle – the girl who loved me when lyrics
- mu4 – you can’t hurry love lyrics
- hayce lemsi – skyrock freestyle légendaire x davodka lyrics