mahaleo – hiakatra sa hidina lyrics
efa ela isika no niara-dia
nefa raha sendra nisy nikodia
navela nitsipika ho azy tery
efa ela isika no niara-dalana
sendra lalana feno sampanana
dia adino ve ny dina ikambanana
manahirana ery
ny mitady ny lalan-kombana
ny mitady zay misy hazavana
hiankavanana sa hiankavia
no hahitana ny lalan-kivoahana
no hahitana zay mety iarahana
hiara-hiakatra sa hiara-hidina
mba mahatokana ianao ry sakaiza
tena marina tena marina
mba mahatokana ianao ry sakaiza
tsy matahotra, tsy matahotra
raha irery mandeha miankavanana
sendra hantsana tsisy hanolo-tanana
raha irery mandeha miankavia
tsy misy mpijery raha toa mikodia
tsy milamina akory ny tany
dia ianao mahasahy mandeha irery
manahirana ery
ny mitady ny lalan-kombana
ny mitady izay misy hazavana
hiakavanana sa hiankavia
no hahitana ny lalan-kivoahana
no hahitana izay mety hiarahana
hiara-hihemotra sa hiara-handroso
hiara-hidola sa hisosososo
Random Lyrics
- hujan – pemicu gila lyrics
- james1stgen – heart whole lyrics
- lil rozey – house i dont call home lyrics
- litmarcy – carpe diem lyrics
- atheist rap – car core lyrics
- dub silence – reflet fantômatique lyrics
- rap immanuel – uyar malaiyo (rap version)| rap immanuel lyrics
- premo rice – talk to em lyrics
- teddy – down these hills (outro) lyrics
- e tale – thotiana (remix) lyrics