azlyrics.biz
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

raboussa – aleo izy ho any lyrics

Loading...

[intro]
e e e o o

[pont]
ianao lazaina hoe ambany
tsy afaka hitraka intsony
ianao hono efa lavo f’izy foana no eo ambony
satria ianao tsy miteny dia lazainy fa resy
satria anazy ny vola sady izy fetsifetsy
dia izy sahy miteny hoe zanahary anazy irery
izy hono efa avotra, ianao tsy maintsy very
indraindray ianao te hitroatra te hamaly izay ratsy
fa aleo izy ho any, hivaly aminy iny atsy ho atsy

tsy fantany mantsy tsy resy ny olona mangina
toe+tsaina sy finoana ny anao no fitaovam+piadiana
ampio fanantenana, ny tanjonao banjino
dia mpandresy foana ianao, izay fotsiny aza adino

tsy kivy tsy miondrika ianao raha mbola mandia tany
mitrakà fa eto misy ambony misy ambany
dia reraka eo izy hanenjika anao dia amin’izay
henoy ny hiranay hoe…

[refrain]
na be mpamingana ianao, be mpanadala e
aleo izy ho any
manana finoana ianao, fanantenana e
aleo izy ho any
ho sasapoana izy manenjika afara e
aleo izy ho any
tazomy mafy ny toe+tsaina fa tsara e
aleo izy ho any

[couplet 1]
satria ianao tsy namaly dia sahiny badoina
loza ho azy raha ny marina no niniany vonoina
ianao tsy tompon+tsafidy satria hono izy bandy
lazao azy fa ny fitia mahery noho ny sandry

[pont]
ianao hono ilay ambakainy foana hatram’zay
teneno azy fa tsara ny manome noho ny mandray
dia ajanony hoe ‘lay zesta be sy taim+bava
fa olombelona izy, indray andro any mbola ho rava

tsy fantany mantsy tsy resy ny olona mangina
toe+tsaina sy finoana ny anao no fitaovam+piadiana
ampio fanantenana, ny tanjonao banjino
dia mpandresy foana ianao, izay fotsiny aza adino

tsy kivy tsy miondrika ianao raha mbola mandia tany
mitrakà fa eto misy ambony misy ambany
dia reraka eo izy hanenjika anao dia amin’izay
henoy ny hiranay hoe…

[refrain]
na be mpamingana ianao, be mpanadala e
aleo izy ho any
manana finoana ianao, fanantenana e
aleo izy ho any
ho sasapoana izy manenjika afara e
aleo izy ho any
tazomy mafy ny toe+tsaina fa tsara e
aleo izy ho any

[couplet 2]
yeah!
avy aty amin+draboussa
vazo iray
atolotra ho anao
ho anao io
izay mbola voatery
voatsindry hatramin’izao
noho ny ataon’ny sasany
noho ny aretina samihafa
noho ny fitiavan+tenan’olona anakiray
noho ny fialonana
noho ny hetraketraky n y fiainana andavan’andro

koa manomboka eto
manomboka androany
izao dia izao
dia mila resenao ireo rehetra rehetra ireo
satria ianao manana fanantenana
satria ianao manana tanjona
satria ianao manana finoana
satria ianao mahery
satria ianao mpandresy
yeah

[outro]
dia am’izay
ho tratranao ny tanjonao
matoky anao izahay
matoky anao zah
‘zay



Random Lyrics

HOT LYRICS

Loading...